4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miverina indray ny fahiny - Mage 4

                 Niverina indray ny fahiny!!!



Niverina indray ny fahiny

’Lay toetranao nafinaritra ahy

Mampitory fitia!

Niezaka foana teny aho

F’ianao no tsy nety.



Ankehitriny anefa,

Tsapako ianao fa efa tia

Fa tsy nampiseho

’Lay fonao tsy natoy taloha

Natahotra ny ho tia.



        Ianao tsy niteny nefa tia

        Fa vahotra ny vavanao minia

        Na sarotra aza ny iananao ireny,

        Naleonao niery

        Ianao tsy nijery nefa tia

        Tsy sahinao naseho izany satria

        Sao potika sy rembin’ny tadio

        Lay fonao madio!



Natopatopan’drivotr’eny

Ny hakanto sy hanitr’ny fitia raha

Tazako ianao

Ny tsikinao miantso fa toa

Tsy sahiko sedraina



Adinoko avokoa ny tontolo

Ny alahelo tsy hanalok’intsony

Nidify tsy hita

Tsisy tsaroana ireo raha

Hanoroka anao



        Ianao tsy niteny nefa tia

        Fa vahotra ny vavanao minia

        Na sarotra aza ny iananao ireny,

        Naleonao niery

        Ianao tsy nijery nefa tia

        Tsy sahinao naseho izany satria

        Sao potika sy rembin’ny tadio

        Lay fonao madio!

.........



Mage 4

Partager miverina indray ny fahiny

Commenter miverina indray ny fahiny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite